Raha hitady namana

Voalohany indrindra dia mila misoratra anarana mihitsy ianao vao afaka mifandray amin'ny namana ao amin'ny serasera.

Ny fisoratana anarana dia ao amin'ny http://login.serasera.org dia tsindrio ilay hoe Hisoratra anarana dia fenoy. Apetraho ao ny solonanaranao sy ny adiresy email averina soratana. Ny solonanarana dia izay solonanarana izay tianao. Ny solonanarana, mazava ho azy, araka izany anarany izany dia tsy voatery ho ny tena anaranao.

Rehefa avy misoratra anarana ianao dia mahazo tenimiafina any amin'ilay adiresy email napetrakao. Dia iny tenimiafina iny no ampidirinao miaraka amin'ilay solonanarana rehefa takiana aminao izany.

Takiana amina io solonanarana sy tenimafina io rehefa hifandray amin'ny namana ianao. Midira ao amin'ny http://namana.serasera.org dia ampidiro ny solonanarana sy tenimiafina. Dia mitadiava namana. Rehefa mahita namana ianao dia jereo ny mombamomba azy dia azonao andefasana hafatra izy. Tsindrio fotsiny ilay hoe handefa hafatra.