Anisan'ny mpahazo matetika ilay manadino tenimiafina. Ny serasera.org dia tsy mitahiry tenimiafina ka raha adino ny tenimiafina dia tsy maintsy manamboatra tenimiafina vaovao ianao.
Ampidiro ny adiresy email-nao izay voatahiry ato amin'ny serasera. Raha tsy hitany ny email-nao dia mampidira email-nao hafa satria mety izay no voatahiry.
Jereo any amin'ny email-nao fa nalefa any ny fanoroana momba ny famoronana tenimiafina vaovao. Raha sendra tsy hitanao ny email dia jereo ao amin'ny SPAM na Junk mails
Ilay email voarainao dia misy rohy (lien) izay mila tsindriana fotsiny na sokafana.
Rehefa misokatra ilay rohy dia mangataka anao hamorona tenimiafina vaovao. Soraty indroa ilay tenimiafina vaovao dia tsindrio ilay hoe Alefa
Rehefa vita izay dia iny indray no tenimiafinao vaovao. Mandehana amin'izay amin'ireo takelaky ny serasera hafa dia ampiasao ny solonanarana sy tenimiafina.
Fanamarihana
Tandremo fa tsy mitovy ny Sora-baventy (Majuscule) sy sora-madinika (minuscule) na amin'ny tenimiafina izany na amin'ny solonanarana. Raha Rakoto no nampiasainao dia tsy maintsy Rakoto foana no apetraka fa tsy rakoto na RAKOTO
Raha efa nanaraka an'ireo antsakany sy andavany ianao nefa mbola misy olana dia manorata amin'ny admin@serasera.org