Misy fanontaniana?

Ireto ny olana mateti-pitranga koa jereo sao dia hitanao eto ny vahaolana. Raha tena tsy hita ny vahaolana dia mandefasa hafatra ho anay hery@serasera.org

Tsy mahavoaray tenimiafina

Raha toa ka efa misoratra anarana ianao kanefa mbola tsy maharay tenimiafina ihany dia jereo aloha ao amin'ny toerana misy ny SPAM ao amin'ny boaty email-nao fa mety nalefany any ny hafatra nalefanay misy tenimiafina. Raha toa ka tsy any dia mandehana eo amin'ilay hoe adino ny tenimiafina dia araho ny fombafomba fangatahana tenimiafina vaovao

Tsy mety tafiditra kanefa marina ny tenimiafina

Tandremo fa tsy mitovy eto amin'ny serasera ny MAJUSCULE sy ny minuscule. Izany hoe ny HERY sy ny hery ary ny Hery na HeRy dia tsy mitovy. Koa jereo sao izay no olana.